Chargement...

𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐁𝐄𝐌𝐀𝐒𝐎𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 : 𝐓𝐨𝐤𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 𝟏𝟐.𝟎𝟎𝟎 𝐧𝐨 𝐡𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐕𝐚𝐭𝐬𝐢𝐧'𝐚𝐧𝐤𝐨𝐡𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧'𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐨.

Kaominina miisa 11 amin'ireo 26 ao anatin'ny distrikan'Antananarivo Atsimondrano no voafidy hisitraka ny Vatsin'ankohonana dia ny kaominina Ambatofahavalo, Androhibe Antsahadinta, Antanetikely, Ampahitrosy, Tsiafahy, Ambalavao, Ambohidrapeto, Alatsinainy Ambazaha, Soalandy, Bongatsara ary Fenoarivo.

Nambaran'ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga , RAMANANTSOA Ramarcel Schall, izay nisolo tena ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, nandritra ny atrikasa fifantenana azy ireo androany fa : zava-dehibe ho an'ny Faritra Analamanga ny fisian'ny fiahiana ara-tsôsialy ho an'ny fianakaviana tena sahirana toy izao.

Ny Vatsin'Ankohonana dia tafiditra ao anatin'ny tetikasa Haraton'Aina - Famatsiam-bola fanampiny (Filets de Sécurité et de Résilience-Financement additionnel), izay vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola. Ny FID no manatanteraka ary ny Governemanta malagasy amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina no mandrindra ny asa.

Retour aux actualités