Chargement...

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗧𝗔𝗡𝗝𝗔𝗛𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗔𝗡-𝗧𝗦𝗘𝗞𝗢𝗟𝗬 𝗔𝗡𝗗𝗜𝗔𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔 𝟮𝟵 : 𝗔𝗻𝗷𝗮𝗿𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗿𝗲𝗻𝗶𝘃𝗼𝗵𝗶𝘁𝗿’𝗶 𝗕𝗼𝗲𝗻𝘆 𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆

"𝐒𝐎𝐌𝐀 𝐌𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐊𝐀", izay midika hoe lalao mahafinaritra, io no teny manentana ity fanatanjahantena an-tsekoly andiany faha 29 ity.

🤾 🧑‍🦽 Mampiavaka izany ny fiverenan'ny taranja ""𝒉𝒂𝒏𝒅𝒃𝒂𝒍𝒍" sy "𝒉𝒂𝒏𝒅𝒊𝒔𝒑𝒐𝒓𝒕", ny fandraisan'ny fampianarana tekinika anjara, ary ny fiaraha-misalahy miaraka amin'ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

✅✅ Sambany no nisy Praiminisitra nanotrona sy nanome voninahitra ny hetsika, notronin'ireo mpikambana maro ao amin'ny governemanta.Teo ihany koa ireo Lehiben'ny Faritra maro tonga manohana sy manotrona ny Faritra niaviany avy ka isan'izany ny Lehiben'ny Faritra Analamanga, RAHARINIRINA Clémence.

👩‍👧‍👦 Isan'ireo mandray anjara anatin'ity hetsika ara-panatanjahan-tena ity ihany koa ireo ankizy manana toe-tena varira, izay nanaovan'Andriamatoa Praiminisitra fanentanana sy antso avo manokana ny amin'ny fiarovana azy ireo. Nambarany fa mitovy amin'ny zaza rehetra izy ireny, tsy misy tombo sy hala ary mila arovana.

𝑨𝒏𝒅𝒆𝒉𝒂 𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒊𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒂𝒏-𝒕𝒔𝒂𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝒂𝒌𝒐𝒏'𝒏𝒚 𝒍𝒂𝒏𝒐𝒏𝒂𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒐𝒌𝒂𝒇𝒂𝒏𝒂.

Retour aux actualités