Chargement...

Mitohy hatrany ny fanatanterahana fitsirihana tampoka azy ireo izay tarihin'ny Préfet de police miaraka amin'ireo mpitandro filaminana, ny Faritra Analamanga, ireo Lehiben'ny distrika ary koa ireo solontenan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

🔐 🦺 Tao amin'ny boriborintany voalohany sy fahefatra ary fahadimy no nanatanterahana izany androany. Izao no natao dia ny hanamafisana hatrany ny andraikitr'ireo andrimasom-pokonolona sy hamerenana haingana ny fandriam-pahalemana eny anivon’ny fiarahamonina.

🗣️ 👉 Nambaran'ny Préfet de Police fa : "Tsy hiady aman'olona akory fa manara-maso ireo mpanakorontana ary hiantso ny mpitandro ny filaminana raha misy ny olana sy fanakorontanana mihoa-pefy.

Mitovy ny fampiharan-dalàna ho an'ny olona rehetra, na iza izy na iza".

✅ Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fanakatonana ireo toeram-pisotroan-toaka (Bar) izay mbola misokatra amin'ny ora tsy ahazoan-dalana, ny fanaraha-maso ireo olona mitondra kodiaran-droa izay efa mamo, ny fivezivezen'ny zaza tsy ampy taona amin'ny alina, ary ny fitsirihana ny olona mitondra rongony.

Retour aux actualités