Chargement...

𝐒𝐎𝐒𝐈𝐀𝐋𝐘 : 𝐍𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐲 𝐚𝐧'𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐩𝐨𝐥𝐢𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐫𝐚𝐢𝐦-𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐤𝐚𝐯𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐭𝐢𝐟𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐣𝐢𝐨𝐥𝐚𝐡𝐲 𝐧𝐲 𝐬𝐨𝐥𝐨𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚.

Tonga nitsidika sy namangy an'ilay polisy voatifitry ny jiolahy teny amin'ny Tranodimy Anosipatrana, teny amin'ny HJRA, androany alahady 6 septambra ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence; ny Préfet an'Antananarivo, ANDRIASY Vonjy; ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka eto Analamanga, Kaomisera RAFALIMANANA Alain; ireo mpitandro ny filaminana ao anatin'ny OMC ary ireo mpiara-miasa eo anivon'ny Faritra Analamanga.

Tsy nohadinoin'izy ireo koa ilay raim-pianakaviana 58 taona, mpanao cashpoint, izay voatifitry ny jiolahy teny Ampefiloha Ambodirano. Asan-jiolahy izay samy nitranga omaly sabotsy 5 septambra hariva. Samy nahazo fanohanana avokoa izy ireo amin'ny fitsaboan-tena atrehiny.

Retour aux actualités