Chargement...

Fampiofanana arak’asa mba hitondra fampandrosoana

Iray amin’ny vinan’ny Faritra Analamanga ny fanohanana ireo tanora amin’ny alalan’ny fampiofanana arak’asa mba hitondra fampandrosoana ho an’ireo Distrika rehetra ato anatin’ny Faritra. Miara-miasa akaiky amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Tekinika sy ny Fampiofanana Arak’asa ny Faritra Analamanga ao anatin’izany. 


Tonga nanome voninahitra ny fanokafana ofisialy ny « Salon de l’orientation, de l’enseignement technique et de la formation professionnelle » teny amin’ny Kianjan’i Barea Mahamasina ny Lehiben’ny Faritra Analamanga Mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence.

Retour aux actualités