Chargement...

Afera trano fiantohana MAMA

Nandray fepetra ny Fanjakana sy ny mpitatitra, manohitra ny fitantanana tsy mahomby sy tsy mangarahara, ny fanaovana antsojay, fandroahana tsy ara-dalàna,… ao amin’ny trano fiantohana MAMA (Mutuelle d’Assurance Malagasy) izay tonga hatrany amin’ny Filoham-panjakana ny fitarainana.

Tonga nanao fampahafantarana teny an-toerana ny Lehiben’ny Faritra Analamanga, Rtoa Clémence Raharinirina, izay solontenam-panjakana, niaraka tamin’ny vadin-tany sy ireo mpitatitra ary mpikambana, nampahafantatra ny fanapahan-kevitra noraisina dia ny fametrahana « commissaire de Redressement ».

Nampahatsiahivina fa ny MAMA dia orinasa « mutuelle » ka ny mpitatitra no tompony sy tokony hanapaka kanefa tsy izay no zava-misy fa lasa fitangosam-bola sy tantely afa-drakotra, tsy nisy tamberin’andraikitra ho an’ireo mpandoa saram-piantohana.

Ny firaketana (PV) tamin’ny 15 desambra 2025 niarahan’ny CSBF, ny BFM, ny Fiadidian’ny Fanavaozana ny Repoblika ary ny mpitatitra dia efa nanendry an’i Rado Andriamamonjisoa ho « Commissaire de Redressement » satria efa tapitra ihany koa ny fe-potoana niasan’ny Filankevi-pitantanana saingy tsy mbola tanteraka izany fanapahan-kevitra izany hatramin’izao.

Tia Tanindrazana

Retour aux actualités