Chargement...

Ny taom-pambolen-kazo ho an'ny Faritra Analamanga

Nisokatra teny Ambohitromby Ankazobe ny taom-pambolen-kazo ho an'ny Faritra Analamanga. Zanakazo 3 500 isa no novolena tamin'ny velaran-tany 3 Ha.

Samy nandray anjara nanatanteraka ny adidiny tamin'izany ireo manam-pahefana tonga teny an-toerana sy ireo mpianatra ary ny mponina. Nandritra izany no nanentanan'ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, ny rehetra mba hamboly hazo ho fanamaitsoana indray an'i Madagasikara satria "izay mamboly hazo, manome aina".

Tsy nohadinoiny ihany koa ny nisaotra manokana ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy izay nikarakara ny hetsika tamin'ny alalan'ny Fitaleavam-paritra Analamanga niarahana tamin'ny Tetikasa "Diabe 2" ao anatin'ny fandaharan'asa "AFAFI Centre 2", vatsian'ny Vondrona Erôpeanina vola.

Retour aux actualités