Chargement...

Manoloana ny fiakaran'ny rano nampitaraina ny mponina teny Andohatapenaka I

Manoloana ny fiakaran'ny rano nampitaraina ny mponina teny Andohatapenaka I dia nandeha teny ifotony avy hatrany ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, Clémence RAHARINIRINA, niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy.

Vahaolana maika noraisina avy hatrany ny fampiasana ny "motopompe" hitroka ny rano. Nambaran'ny mponina fa ny fisian'ny trano miorina ambony lakandrano no sakana amin'ny fikorinan'ny rano ka hanao tatitra momba izany amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Faritra. Nandeha nitsidika ireo rava trano vokatry ny horohorontany ihany koa ny Lehiben'ny Faritra.

Retour aux actualités