Chargement...

FANATANJAHANTENA : Nibata fandresena ny ekipan'ny Faritra Analamanga

Norombahin'ny ekipan'ny Faritra Analamanga, ao amin'ny taranja basketball vehivavy, ny fandresena tamin'ny sokajy "Vétéran Dame" sy "Corporate" nandritry ny fifaninanana "She leads the game - basket 3x3".

Izany hetsika izany dia nokarakarain'ny Analamanga Basketball League (na ABL) sy ny Amazons ballers ny 22 martsa lasa teo, tao amin'ny kianja mitafon’i Mahamasina.

Tamim-pifaliana no nandraisan-dRamatoa Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana ireo ekipa nandray anjara tamin'ny fifaninanana androany tao amin'ny birao fiasany ka nisaotra sy nankasitraka ary nankahery azy ireo ny tenany tamin'ny ezaka izay nataon’izy ireo.

COM Faritra Analamanga

Retour aux actualités