Chargement...

ONG SOAKOJA : Fampisitrahana rano fisotro madio ho an'ny tontolo ambanivohitra

Mponina mitotaly 38.985 avy amin'ny tanàna miisa 74 eo anivon'ny Kaominina enina ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo sy Distrikan'i Manjakandriana no efa misitraka rano fisotro madio tao anatin'ny enin-taona, tamin'ny alalan'ny tetikasa "Interaide" an'ny "ONG Soakoja". Nanokatra ny atrikasa nitaterana ireo ezaka vita sy nifampizarana traikefa amin'ny fampandraisana anjara ny sanda sy latsakemboka efain'ireo mpisitraka mba hikojakojana ireo fotodrafitrasa ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence.

← Retour à la vidéothèque